Fifaninanana Kabary RNS 2016 - Lyon 26 Mars 2016
15/03/2016 |
3354 |
Commentaires Facebook
Fifaninanana Kabary RNS 2016 - Lyon - Lohahevitra : Ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy aty ampitan-dranomasina.
Du 26 au 27 mars 2016
Tarif : Gratuit
FIFANINANANA KABARY RNS LYON 2016 Miaraka amin'ny FI.MPI.MA. Frantsa
Publié par njaka 9 mars 2016
Ny zava-baovao amin'ity RNS 2016 ity dia ny fifaninanana kabary karakarain'ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy (FI.MPI.MA.), Faritany FI.MPI.MA. Frantsa .
Io moa no fifaninanana kabary voalohany misy eto Frantsa. Koa manainga antsika handray anjara amin'ny fifaninanana.
Hitanareo manaraka etoana ny andinidiny, aza misalasala, manao fifaninanana sy handray anjara amin'ny fifaninanana kabary.
FITSIPIKA FIFANINANANA KABARY RNS LYON 2016
I â NY FEPETRA
Andininy 1: Natao ho an'ny olon-drehetra ny fifaninanana, ny olona tsirairay mihitsy no manolotra ny tenany amin'ny alalan'ny fisoratana anarana
And 2: Ny fomba fisoratana anarana dia amin'ny alalan'ny mailaka amin'ity adiresy ity : fimpima.frantsa@gmail.com
And 3: Anarana â taona â telefaonina â adiresy mailaka no fara-fahakeliny tokony ho voaray
And 4: Lohahevitry ny fifaninanana : âNy kolontsaina sy ny soatoavina malagasy aty am-pitan-dranomasinaâ
And. 5: Hatao ao amin'ny RNS ny asabotsy 26 martsa sy ny alahady 27 martsa ny fifaninanana. Ho lazaina aoriana ny ora
II â NY MPITSARA
And. 6: Olona 3 tendren'ny FI.MPI.MA. sy ny CEN ny mpitsara
And. 7: Tsy azo iadian-kevitra na iverenana ny fanapahan-kevitry ny Mpitsara.
III- NY MPIFANINANA
And 8:
Sokajy voalohany: Taninketsa 10 ka hatramin'ny 16 taona:
Dingana voalohany : Fampisehoana hakingan-tsaina (fanontaniana sy valiny na fanohizana ohabolana na ankamantatraâ¦)
Dingana faharoa : Antsan-kabary : 3 ka hatramin'ny 5 minitra.
Sokajy faharoa: Tanora sy Olon-dehibe: 16 taona miakatra no ekena hifaninana:
2 ka hatramin'ny 7 no isan'ny mpandray anjara miaraka ka 1 mikabary, mpandray anjara fototra fa ny ambiny mandravaka ny sehatra (mpitendry zava-maneno, mpandihy, mpihira, mpanao fihetsika,), 10 ka hatramin'ny 20mn no faharetany.
And. 9: Anjaran'ny Mpifaninana ny manao izay mahamendrika azy eo anatrehan'ireo Mpitsara ka handresena lahatra azy ireo.
IV â LOKA
And. 10: Hisy ny mari-pankasitrahana hatolotra ho an'ny mpandray anjara rehetra izay hozaraina ny alatsinainy 28 martsa 2016 mandritra ny lanonam-pamaranana ny RNS
And. 11: Tsy maintsy mpifaninana ihany no misitraka ny loka fa tsy azo soloina olon-kafa.
laharana iantsoana raha mila fanazavana fanampiny: 06 09 04 40 67 / 06 65 10 55 43